Telonohorefy

Ny Telonohorefy na Telo noho refy dia iray amin' ny asterisma malaza indrindra, anisan' ny antokon-kintan' i Orion. Ahitana ireo kintana goaibe manga telo atao hoe Alnitak sy Alnilam ary Mintaka, izay tena mamirapiratra ary saika mifanandrify tsara, ilay asterisma, mora fantarina amin' ny maso, dia mari-pamantarana eny amin' ny lanitra amin' ny alina ary lohahevitry ny fedrà sy ny fivavahana maro. Ny kintana Alnitak sy Alnilam ary Mintaka dia eo amin' ny 800 sy 1.340 ary 915 taona-hazavana avy eto amin' ny Tany. Ireny no ivon' ny antokon-kintana Orion.
Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelimiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany. (Randzavola Henri, "Telonohorefy", Diksionera amin' ny Baiboly)
antokon-kintana telo avarabaratra andrefan' ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery (Rajemisa-Raolison Régis, "Telonohorefy", Rakibolana malagasy)