Aller au contenu

Taftartarata

Avy amin'i Wikipedia

I Taftartarata dia ny fanahin' i Merkiora, manatanteraka ny fitaoman-dratsin' ilay planeta. Avy amin' ny teny hebreo hoe תפתרתרת / Taphthartharath io anarana io[1]. Anarana hita ao amin’ ny asasoratra momba ny ôkoltistma izy io, indrindra fa ao amin’ ny asasoratr’ i Heinrich Cornelius Agrippa, mitondra ny lohateny hoe De Occulta Philosophia libri tres. Antsoina hoe fanahin' i Merkiora izy, mifandray amin' ny fitaomana mandozan' ity planeta ity.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny fanao ao amin' ny majika astraly, ny planeta tsirairay dia mifandray amin' ny faharanitan-tsaina na fanahy. Iray amin' ny fanahy mifandray amin' i Merkiora i Taftartarata.

Tsy sahala amin' ny fanahin' i Merkiora hafa izay mety manana toetra tsy miandany na mahasoa kokoa i Taftartarata fa mifandray manokana amin' ny lafiny miiba na ratsy amin' ny fitaoman' i Merkiora. Mety hahitana ny fitaka, ny hafetsena, ny halatra, ny fisafotofotoana, ary ny fisehoan-javatra ratsy hafa mifandraika amin' ny fifandraisana sy amin' ny faharanitan-tsaina ireo lafin-javatra ireo.

Tamin' ny alalan' ny asasoratr' i Heinrich Cornelius Agrippa vita tamin’ ny taonjato faha-16, mitondra ny lohateny hoe De Occulta Philosophia libri tres io indrindraindrindra no nahatonga anaran' i Taftartarata ho fantatra. Manoritsoritra ny fifandraisana misy eo amin' ny planeta, ny isa, ny tombo-kase ary ny fanahy i Agrippa.

Mifandray amin' ny sandan' isa ny anarana hoe Taftartarata, izay matetika kajina araka ny gematria hebreo. Ampiasaina amin' ny fanao majika ity sanda ity mba hametrahana rohy sy fifandraisana an' ohatra. Ny lahatsoratra sasany dia ahitana ny sandan' isa 2080 mifanandrify amin' ny anarany.

Antsoina amin' ny fombafomba misy mazia mikendry ny fampitana ny angovo merkoriana i Taftartarata, indrindra ao amin' ny tontolon' ny majikam-pombafomba. Na izany aza, noho ny fifandraisany amin' ny fitaomana mandoza dia tsy amporisihina ho an' ireo izay mbola zazavao ary heverina fa mety hampidi-doza ny fiantsoana azy amin' ny ankapobeny.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Tree of Life:Astrology - Spuirit of the Planets", in Thelemaopedia
  2. "Tree of Life:Astrology - Intelligences of the Planets", in Thelemaopedia
  3. 3,0 et 3,1 "Tree of Life:Astrology - Spirit of the Planets", in Thelemaopedia